Zaikabe SVK FAFATS

“23 Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa ny Kristy Tompo hianareo.” Kolosiana toko 3:23-24

Faly miarahaba anareo indray, ry rahavavy malala, amin’ny anaran’ny Tompo,

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Fitiavan’Andriamanitra ary ny Firaisana amin’ny Fanahy Masina

Mampatsihahy anareo ny zaikabe SVK FAFATS (faritany misy antsika), ny 23 sy 24 septembre ho avy izao (cf pièces jointes ny programme) ao Lycée saint-charles 2 rue geneviève anthonioz de gaulle 91100 athis-mons à 10h – RER C station ATHIS + bus 487 arrêt cimetière dia à 3mn du Lycée
Na dia tsy misoratra anarana aza dia afaka tonga ka 15€ ny ½ journée.

Ny Fiadanana natolotr’i Jesoa antsika no ho eo amintsika sy ny ankohonantsika.
Samy ho tahin’ANDRIAMANITRA.
Ho AZY irery ny Voninahitra.

 

 

This entry was posted in SVK. Tagged .

You may also like...

Comments are closed.